Mluvčí: William

Jazyk Malgaština wiki ethnologue
Austronéská jazyková rodina wiki
latinské písmo scriptsource
Římskokatolická církev wiki

Znamení kříže

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen

Otčenáš

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan'andro, avelao ny fahotanay, tahaka ny hamelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen

Zdrávas Maria

Arahaba ry Maria, feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao. Masina Maria, Renin'Andriamanitra, Mivavaha ho anay mpanota. Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay. Amen

Sláva Otci

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen

Apoštolské vyznání víry

Izaho mino an'Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany. Izaho mino an'i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika, noforonin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria Virjiny, nijaly faha-Pontsy Pilaty, nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambanin'ny tany, nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo, niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty. Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina Katolika, ny fiombonan'ny Olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amen